Laterit productions

Orinasa mpamokatra, mpanapariaka ary mpanonta mahaleo tena naorin'i Marie-Clémence Andriamonta sy Cesar Paes mpanoratra sy mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny taona 1988.

Raha te hahalala bebe kokoa, tsidiho ny tranonkalanay : www.laterit.fr

 

Ho hitanao ato amin'ity tsena ity ireo DVDs sy CDs-n'ny horonantsarimihetsika novokarinay, ary ireo tsanganasa hafa ankafizinay sy ezahinay arovana, anisan'izany ny collection Voan-dalana :

- DVDs horonantsarimihetsika anay (L'Opéra du bout du monde, Mahaleo, Saudade do Futuro sns) sy sarimihetsika hafa tianay, ohatra : Mina Agossi, Une voix nomade, bangon-tantaran'ilay mpihira jazz frantsay-beninoazy notontosain'i Jean-Henri Meunier.

- BOKY nosoratan'i Raharimanana, JJ Rabearivelo, Dox, eo koa ireo bokin-tsary tena fatratra (Malala Andrialavidrazana, Pierrot Men, kolontsaina vakoka malagasy), sy ny boky natontan'ny éditions Karthala.

- CDs tsy hitanao any an-kafa : tahaka an'i intégrale Mahaleo na koa i Masoala, horonampeo voalohan'ny Madagascar All Stars, ao koa i KA an'i Seheno, sns.

Aina Randrianaivosoa no mpiangaly ny teny malagasy eto aminay hatramin'ny horonantsary "Mahaleo" izay izy no nandrakitra an-tsoratra sy nandika amin'ny teny frantsay ny hira rehetra. Mpanoratra tononkalo sy tononkira, izy no nanoratra ny amboaran-tononkalo "Farango sosona" izay amidy eto. Izy koa no nandavorary ny fandikana amin'ny teny malagasy ity tsena ity



La boutique du 9 rue de Terre-Neuve est fermée, mais vous pouvez toujours passer vos commandes en ligne ou nous retrouver lors de nos événements dans les lieux de culture. Suivez-nous ici https://linktr.ee/laterit